4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Intro - Rija Ramanantoanina

Fa tsy ho ahy ny ho aviko  

Raha tsy ny lanitrao

No hialofako ry tany.

Mamiko ianao,taniko ianao

´lay niandohako,hiafarako rahatrizay.

Tsy ho aritro ny handao lavitra anao

Fa varimbariana eny aho,manina anao.

Tsy ho haiko koa

Ny hanao anao ho an-kilabao

Firavako ianao,mamiko ianao,taniko ianao.



Fa tiako koa,tsy foiko tokoa,

Dia ny fitiavanao

Ry neny tsy mba roa.

Mamiko ianao,isaorako ianao

´reo teny mamy,tsy hadinoko hatrizao



Fa fantatro,fa n’aiza no hizorako,

Dia jiro manazava ahy ianao.

Ny vavaka hasandratrao ho ahy

No heriko

Neny ô isaorako ianao..



Fa misy iray ambony indrindra

Dia ny fitiavanao,Ry tompo Tsitoha.

Fa ny olon-tiako sy izay faniriako

Nomenao ahy,nomena am-pitiavana

Fahasoavana isan’andro isan’andro

No nasafinao ny fiainako.



Fa mandrakizay

No ankalazako anao

Ry Ray Tsitoha....derainay

Ianao mandrakizay!





            

Partager intro

Commenter intro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite